Mila eritreretina ny vahaolana eo amin’ny fizahantany.
Heritaona latsaka izay no nidian’ny sisin-tany teto Madagasikara. Maro ny vokatr’izany teo amin’ny sehatra maro, toy ny fandrarahana eo amin’ny sehatry ny asa tanana Malagasy, ny tontolon’ny fandraisam-bahiny, indrindra ny fizahantany. Na efa somary misokatra kely aza amin’izao ny sisin-tany ankehitriny, vitsy ny tonga mizaha tany ; tsy manana fotoana firy amin’izany ihany koa ny Malagasy ato anaty noho ny fahasahiranana sy ny fitadiavana. Ankoatra izany, ny tsy fandriam-pahalemana izay miteraka tsy fahatokisan’ny vahiny mihazo an’i Madagasikara. Vokatr’izany, very asa ny ankamaroan’ny olona misehatra eo anivon’izany. Tsy hita holazaina intsony moa ny fatiantoka goavana sedrain’izy ireny. Ny fihaonana eo anatrehan’ny minisiteran’ny asa sy fikambananan’ny mpisehatra eo anivon’ny fizahantany ary no mamaritra ny vahaolana manoloana izany. Manampy azy ireo amin’ny fikatsahana izany ihany koa ny minisiteran’ny fitaterana sy ny fizahantany. Vahaolana ny fifanarahana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpampiasa ary ny mpiasa. Raha tsiahivina, nisokatra ny novambra lasa teo ny fizahantany any Nosy Be.
Fanilo Rarivoarilala
