Ny fiovana hisy eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo.
Anisan’ny fanomezana hasina ny firenena ny fanatsarana na fanavaozana ireny toerana manan-tantara eto amin’ny firenena ireny. Ary mba hanomezana endrika tsaratsara kokoa ny zaridainan’Ambohijatovo izay toerana manan-danja tokoa amin’ny tantaran’i Madagasikara indrindra i Antananarivo hisy ny fanovana. Raha ny voalazan’ny Ben’ny tananan’Antananarivo dia hovaina ho “parc botanique” ny zaridainan’Ambohijatovo, izany hoe ho lasa toerana hahitana zava-maniry maro isan-karazany izy. Efa vita avokoa ny taratasy mikasika io fiovana io ny volana septambra lasa teo. Tsy afaka mandray hetsika hafa intsony io toerana io. Manana anjara toerana lehibe ao amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ny tontolo iainana izay anisan’ireo andry mampijoro azy miaraka amin’ny toe-karena, ny rafitra ara-politika, ny hairaha ary ny kolotsainam-piarahamonina. Kanefa na eo aza izany, ny olona ao amin’ny firenena mihitsy no mila manapa-kevitra ny handroso vao mandroso ny firenena iray.
Nicole Rafalimananjara
