SocialTsidika

Masindray : Ny dihy no namaranana ny taona

Nikarakara fifaninana mandihy ho an’ny mponina ao aminy ny kaominina Masindray ny 31 desambra lasa teo. Nahafinaritra ny hetsika fampiroboroboana ny tanora tamin’ny alalan’ny talentany. Hita nisoritra teny amin’ny tarehian’izy ireo ny hafaliana.

« Fifaliana no namaranana ny taona 2021 tety Masindray. Ho avy tsy ho ela ny fifaninana mihira eto amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Masindray. « Nahafinaritra ny fihaonana teo amin’ny samy tanora. Afaka nifampizara talenta izahay » hoy ny avy ao amin’ny Youth Skill Show Club, tarika mpandihy nasaina nandritra ny hetsika. « Efa ela mihitsy no niandrasanay ny fifaninana tahaka izao. Tsy ny loka no zava-dehibe fa ny fandraisanay anjara nahafahana nampiseho ny talenta sy nialana voly » hoy i Mariah, tanora nandray anjara tamin’ny fifaninanana.

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena tokao ny fanomezan-danja ny tanora araka ny talentany avy. Ny toy ireny ihany mantsy no hitondra avo ny voninahim-pirenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire