SocialTsidika

Ambohimangakely : Nanao jery todika ny lasa sy vina amin’ny hoavy ny kaominina

Nisy ny fotoana nanaovana jery todika ny zava-bita nandritra iny taona lasa tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Teo ihany koa ny fanaovana ny tomban’ezaka hiatrehana ity taona vaovao ity.

« Notolorana nofonkena mitam-pihavanana ny mpiasa rehetra eto amin’ny kaominina. Nofaranana tamin’ny fiaraha-mikorana ny hetsika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Faly ihany koa izahay manolotra jiro 50 isa apetraka eny amin’ny lalana eto Ambohimangakely mba hanazavana ny tanàna » hoy ny solombavambahoaka mirahalahy voafidy teto Avaradrano, tonga nanome voninahitra ny hetsika. « Mahafinaritra ny tahaka izao. Tsy mahavita tena ny ben’ny tanàna fa mila reo mpiasa ireo mandrakariva. Rariny loatra raha mba nizarana hafaliana izy ireo » hoy i Rolland, mponina ao Ambohimangakely.

Ilaina tokoa ny manao jery todika ny lasa hanatsarana ny hoavy. Tsara ampiasaina amin’ny asam-panjakana samihafa fomba izany, mba hisian’ny fandrosoana eto amin’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire