Fanafihan-dàlana: Nisehoana fanafihan-dahalo teny amin’ny làlam-pirenena faha-4
03 Janoary, 09h12. Niantso ny mpitandro ny filaminana handray fepetra hentitra ho fiarovana ny mpandeha ireo nisendra fanafihan-jiolahy nitambasy teny amin’ny RN4 ny roa janoary tamin’ny 2 ora sy sasany 14km niala ny 5/5 avy Ambondromamy hiazo an’Antananarivo. Lasan’ireo Jiolahy avokoa ny entana rehetra teny amin’ny mpandeha, naratra mafy ny mpamily sy ny mpandeha sasantsasany, tsy nisy kosa ny aina nafoy.
