ActualitésLalana sy FifamoivoizanaTsidika

Lalana; fifamoivoizana… hatraiza ny fanajana azy?

Maro ireo karazana tranga hita eny an-dalana rehetra eny. Tsy vitsy ihany koa ireo mpampiasa azy. Ao ny mandeha tongotra, ny fiara karetsaka, ny kodiaran-droa, ny taksibe, ny fiaran’olon-tsotra, ny ho an’ny olona manokana sy ny an’ny manankaja. Tsy misy tsy hita eny amin’ny lalana ny zavatra rehetra. Ny tsena amoron-dalana, ny fako miparitaka, ny loto. Hatraiza no fetran’izy ireny ? Marina oe samy manana ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay saingy raha tsy eo izany Rakoto dia tsy hanao i Rabe ? Dia toa izany foana ny zava-misy.

Ireo efa zatra mandika, mamerina fahadisoana, manao tsinotsinona ireo manaja izany. Efa zary fiainana ny fandikana ny lalàna mifehy ny fifamoivohizana ka lasa manembatsambana ny hafa izay manaraka azy (ny lalàna). Raha misy mantsy fitohanan’ny fiara lava reny; moa misy firy amin’izy ireny no mijanona manaraka ny lamina ? Vao misy misongona anakiray fotsiny ohatra dia manaraka azy avokoa ny ambony. Izay mijanona indray no anaovan’izy ireo farahehy. Diso mihevitra ny tenany ho sahy izy ireo ary mihevitra ny hafa ho bado satria tsy manao ny toa azy.

Impiry ao anaty ny iray volana no misy lozam-pifamohivoizana ? Mety hamaly ianao oe ho an’ireo tsy mitandrina izany. Marina izany; saingy maro amin’izy ireny no efa zatra lalan-dririnina. Efa zatra mandeha ho azy dia rehefa avy eo tratran’ny loza tampoka. An’iza ny tsiny ? Ho an’izay tandrify azy ve ?  Samy tompon’andraikitra ny tsirairay. Dieny mbola vao nianatra namily isika dia nianatra lalàna. Natao tsianjery, nahazoana alalana hamily. Rehefa ela ny ela nefa dia iniana tsy arahina izy ireny satria efa zatra hono e ! Nefa aza adino fa matoa nampisiana ny zavatra iray dia natao ho arahina.

Andao hanara-dalàna isika.

Laisser un commentaire