Talata Volonondry : Niroso tamin’ny fanadiovana ny lakan-drano ny kaominina
Niroso tamin’ny fanadiovana ireo lakan-drano ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fampandrosoana, fikajiana ny tanàna madio, antoky ny fahasalamana izany, araka ny voalaza.
« Fanadiovana ny lakan-drano izay tena maloto no mamofona sady miandrona nefa manoloana ny fivarotana no nandraisan’ny fiadidiana ny kaominina andraikitra. Izany no tontosa dia teo ny tolo-tanana avy amin’ny Société Mglob, izay nanolotra fitaovana toy ny citerne nanadiovana ny tatatra” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny olana lehibe mlahatonga ny loto sy ny fahatsetsenan’ny lakan-drano ny tsy fahampian’ny fanabeazana ny fiaraha-monina momba ny fikajiana sy ny fitantanana ny fako, indrindra ireo fako ventiny sy rano maloto. Mila entanina hatrany izy ireo ary apetraka ny fitsipika hisorohana ny fiverimberenan’ny loto ety an-toerana sy ho fikajiana ny fahadiovana hatrany” hoy i Vero, mponina ao Talata Volonondry.
Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fikajiana sy fanajana ny fahadiovana. Tsy voatery hiandry ny tomponandraikitra hanadio vao afaka manana tanàna madio sy milamina. Ny fifehezan’ny tsirairay ny loto sy ny fitandrovana izany no tena zava-dehibe.
Manitra R.
