Ambohimanambola: Mampitaraina ireo mponina ny fiasan’ireo kamiao amin’ny alina
Mitaraina ary manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ireo mponina ao amin’ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola, manoloana ireo zava-misy niseho tao an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Misy ireo kamiao lehibe mpitatitra tany mifamezivezy ary mitabataba amin’ny alina, no manimba ny lalana ihany koa, araka ny voalaza.
“Tena manelingelina ny ataon’ireo kamiao. Ny alina moa izy ireo no miasa ary efa in-betsaka no nandefa fitarainana izahay kanefa tsy nisy namaly. Manoloana ireo fivezivezena io anefa dia maro ihany koa ny zavatra simba, ny lalana, ny fantson-drano vaky, izy ireo mitabataba” hoy i Voahangy, mponina ao Ambohimanambola.
“Managataka ny tomponandraikitra hijery ny zava-misy ety an-toerana ny mponina satria maro ireo resaka mandeha kanefa tsy mbola nisy ny fanakanana nataon’ny kaominina izany. Ireo kamiao ireo dia mitaona tany avy ety an-toerana, entina any amin’ny kaominina hafa, ka sao hisy voka-dratsiny ho an’ny fokontany indray izany rehefa tong any fotoam-pahavaratra” hoy hatrany ireo mponina ao an-toerana.
Marihina moa, fa tsy nisy ny fanazavana mazava nentin’ireo tomponandraikitra momba ity zava-misy ity. Vokatr’ity zava-misy ity moa dia misy ny fahasimban’ny lalana ao an-toerana, vaky ihany koa ny fantsona mitondra ny rano ny faran’ny herinandro teo.
Manitra R.
