ConseilTsidika

Voasary makirana sy karibonetra : Manala tasy amin’ny hoditra

Fomba natoraly fanalana ireo faritra maintimainty amin’ny vatana toy ny helika na izay lasa mainty rehetra. Maro ireo vitamines ao anatin’ny voasary makirana tao ny vitamines C, A, E izay tena mety amin’ny hoditra. Manala tasy ny karibonetra. Ny zavatra ilaina : karibonetra sy voasary makirana.

Fomba fikarakarana azy : afangaro ireo akora roa ireo atao izay hahatonga azy ho lasa mitambatra tsara fa tsy mitsiranoka. Avy eo hosorana amin’ny faritra misy ny tasy, kosehina tsara sady horina, avela hilona mandritra ny 15minitra ary kobanina madio. Atao isan’andro mandrampahafaky ny mainty. Manala fofona ratsy amin’ny vatana ihany koa izy io.

Laisser un commentaire