Fisandohana andraikitra: Tratra ireo mpanao gazety sandoka roa lahy
Natolotra ny fampanoavana ireo mpanao gazety sandoka roa lahy ny alakamisy 05 oktobra. Mpamoaka vaovao tsy marina, mpanao raharaha fisolokiana sy fampiasana taratasy sandoka no hiampangana azy. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo ary miandry ny fotoam-pitsarana azy; araka ny voalaza.
“Mbola karohina ireo mpiray tsikombakomba nanampy azy amin’ity raharaha ity. Eo koa ireo namany izay miaraka mamolavola vaovao tsy marina sy tsy mari-pototra miafina any ambadimbadika any. ” hoy ny mpitandro filaminana.
“Tsy ataotao foana ny asa fanaovan-gazety. Maro ny lalana arahina vao tonga amin’izany toerana izany. Mila mianatra momban’ny asa fanaovan-gazety aloha vao lasa mpanao gazety matihanina.” Hoy ny tompon’andraikitra.
Maro ireo karazana tambanjotra serasera amin’izao fotoana. Ilay fitandremana sy fandalinana izany manoloana ny vaovao marina sy tsy marina.
