SocialTatitra

Royaume-Uni : 20 tapitrisa be izao no vita vaksiny

Nahavita nanao vaksiny ny 40 % ny olon-dehibe ao aminy i Royaume-Uni amin’izao. Isan’ny fanaovam-baksiny tena mandroso indrindra maneran-tany ity tany Royaume-Uni ity, izay firenena be maty indrindra tany Europe satria efa 128 000 izay no maty. Nahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa ny olona vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 tany an-toerana. Efa mananontanona ny dingana ialàna tanteraka amin’ny fihibohana, raha ny araka ny isa navoaka ny alahady 16 may lasa teo. Nanomboka ny desambra lasa teo no nanaovana ny vaksiny volaohany tany Royaume-Uni raha 30 tapitrisa mahery aloha no nahavita ny fatra voalohany ary ireo 20 tapitrisa mahery ireo no nahavita tanteraka ny fatra roa. Ezahin’izy ireo hatrany anefa ny hamitàna ny vaksiny ireo olon-dehibe hatramin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao. Tokony hahazo ny fatra anakiroa ny olona mba hahazahoana antoka tsara fa voaaro tanteraka amin’ny aretina, hoy ny Minisitry ny fahasalamana any Royaume-Uni, Matt Hancock. Efa manomboka miala amin’ny fihibohana araka izany ny any an-toerana raha efa nosokafana ny aprily lasa teo ny toeram-pivarotana sy ny « terrasses » raha manomboka anio alatsinainy 17 may kosa ny toeram-pisakafoanana anaty trano sy ireo toeran-kolontsaina isan-karazany, ny toeram-pandraisam-bahiny sy ny toeram-pilalaovana fa kosa tsy mihoatra ny 10 000 no afaka mihaona ao amin’izany.

https://www.facebook.com/Tatitra-134108855058641

Une réflexion sur “Royaume-Uni : 20 tapitrisa be izao no vita vaksiny”

Laisser un commentaire