ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tanora manodidina ny 40 no namaly ny antso tamin’ny fampianarana

Efa manomboka ny fampianarana izay atolotry ny kaominina Ankadikely Ilafy, iarahana amin’ny « the best learining ». Nisy ny antso fanentanana nataon’ny tomponandraikitra ka tanora manodidina ny 40 teo no tonga namaly ny antso, araka ny voalaza.

« Tanora manodidina ny efapolo no tonga namaly ny antso amin’ny fampianarana mirary tamin’izao andiany voalohany izao. Fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy sy ny « The Best Learning » no nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Tanjona hatrany ny hanana ireo tanora fahalalana sy fahaizana hahafahany mihatrika avy hatrany ny tontolon’ny asa matihanina. Marihina fa haharitra iray volana eo ho eo ny fampianarana ary ho an’ny fampianarana teny Anglisy sy « Informatique » dia hahazo « Cértificat » izay hankatoavin’ny fanjakana ireo mpianatra ireo rehefa avy mandalo adina tombana » hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny tanora ny fanohanana amin’ny lafin’ny fiofanana sy ny fampianarana. Anisan’ny hangatahin’ny mponina sy hetahetan’izy ireo moa ny hanaovana izany fampianarana izany isaky ny fokontany.

Laisser un commentaire