Lapan’ny fitsarana Anosy : Nanatanteraka lanonana manetriketrika.
Miroso ny ezaka fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara. Ilaina izany mba hisian’ny mangarahara eto amintsika. Miankina amin’ireo mpiandraikitra sy mpiasa koa ny fandrosoana. Tokony manao ny ezaka rehetra izy ireo mba hialana amin’ny tsy fahatomombanana rehetra. Nanatanteraka lanonana manetriketrika araka izany izy ireo omaly. Fametrahana an’i Landy Berthine Razafiarivony ho “Procureur géneral auprès de la Cour d’appel” eo amin’ny fitsarana ao Anosy. Zava-dehibe ny fametrahanana olona mahatoky eo amin’ny firenena mba hampizotra antsakany sy andavany ny raharaham-pitsarana. Raha tsiahivina, vinampirenena ho an’ny fitsarana eto Madagasikara ny hoe “fitsarana manakaiky vahoaka”.
Fanilo Rarivoarilala
