Social

Ny vahaolana hitan’ny fitondrana amin’ny vidim-piainana

Sarotra ny fiainana, indrindra rehefa ireo entana ilaina isan’andro no tsy ampy sy sarotra vidiana. Ny fananganana ny tsena mora no vahaolana naroson’ny fanjakana tamin’izany. Nifandrombaka ny vahoaka tamin’io. Anisan’ny tapaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra, ny 10 febroary teo, fa hisy ny fihenam-bidy goavana eny amin’ireo. Tsena mora hanomboka ny zoma 12 febroary. Hatao in-3 isan-kerinandro izany : ny alatsinainy,  ny alakamisy ary  ny asabotsy. Ho amidy amin’ny vidiny 1 200 Ar izao ny kilaon’ny vary tsinjo ary 4 000Ar ny litatry ny menaka. Eto Antananarivo sy ny manodidina no hanombohana ny tetik’asa fa amin’ny herinandro ambony vao ho any amin’ny renivohi-paritany hafa. Nanapa-kevitra araka izany ny fitondrana fa hifampiresaka mivantana amin’ireo mpandraharaha, ny mpamongady ary ny mpaninjara, izay tena mpisehatra ao amin’ny fitsinjarana sakafo ilaina amin’ny andavanandro. Ny malagasy rehetra no hisitraka ny fisian’ ity tsena mora ity satria mampihenana eo amin’ny 10% hatramin’ny 18% ny vidin’entana eny an-tsena izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire