Politique

Tsiahin’ny 11 febroary 1975 : Nitifirana an’i Kôlônely Richard Ratsimandrava

46 taona lasa izao, tsy mbola fantatra hatramin’izao ny ambadikin’ny famonoana an’i Ratsimandrava ny alin’ny talata 11 febroary 1975 tamin’ny 8 ora alina. Ny 5 febroary 1975 anefa izany hoe 6 andro talohan’ny nahafatesany, natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa azy ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana. Hoy izy nandritra izany : « Tsy miamboho adidy aho mon general », noraisiny niaraka tamin’izay ny fahefana. Maty voatifitra teny Ambohijatovo niaraka tamin’ireo mpiambina azy anakiroa noho ny sopatra nataon’ny hafa anefa i Kôlônely raha iny hody eny Anjohy iny. Tsy nisy valiny mihitsy ve ny famotorana hatramin’izao sa nafenina ny vahoaka ny marina ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire