SocialTsidika

By-Pass Alasora : Lasan’ny jiolahy ambongadiny ny kodiaran-droa lafo vidy

Efa manomboka fetsy ny olon-dratsy amin’izao, ary vao maika mampahazo vahana azy ny fivoaran’ny tamba-jotran-tserasera amin’izao, izay isehoan’ny fisolokiana isan-karazany.

Nivarotra moto tao anatin’ny tambajotran-tserasera ity lehilahy ity ary noho ny raikitra ny varotra dia nifanao fotoana ka nafoy tany ilay moto kanefa ny vola tsy azo. « Efa mba mailo ihany ilay olona hivarotra moto, ary nitondra namana roa hafa. Tsy nanakana ireo jiolahy izay fetsy ratsy nanatontosa ny fanafihany anefa izany » hoy i Andry, mponina eny amin’ny By-Pass. « Narirarirany teny izahay ary nahodinkodiny teny, no nisy andian-jiolahy maro nanambana basy avy eo, sady nitàna sabatra, ka lasany avy hatrany ny moto izay mitentina 2,8 tapitrisa Ariary, izahay vaky nandositra » hoy ny iray tamin’ireo lasibatra.

« Mahazo vahana ny halatra moto amin’izao fotoana izao, ary tsy vao tranga voalohany ity teto Alasora ity, fa efa nisy teny Mandroseza teny vao herinandro vitsy izay » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Ankoatra ny halatra amin’ny alina dia efa mivoaka mazava mihitsy ny olon-dratsy amin’izao izay tena tokony hitandreman’ny rehetra mihitsy izany.

Tsy hita ivelany hoe olon-dratsy izy ireny fa rehefa tratra vao gaga ka aoka tsy hametraka fahatokisana amin’ny olona tsy fantatra isika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire