SocialTsidika

Boriborintany faha-dimy : Nahazo toby vaovao ny sampana mpamonjy voina

Ny zoma lasa teo no notokanana ny toby ho an’ny sampana mpamonjy voina tetsy Analamahitsy izay handrakotran’Antananarivo renivohitra indrindrany boriborintany faha-5.

Ny Ben’ny tanana an’Antananarivo Renivohitra moa no nanokana ity toby ity niaraka ny solombavam-bahoaka voafidy teny an-toerana, loholona sy ny tale jeneralin’ny BNGRC ary manam-boninahitra maromaro. Niaraha-niasa tamin’ny orinasa « Le lotus immobilier » ny fanambiarana ity fotodrafitrasa ity. Fiara miisa 15 no hiasa ato amin’ity toby ny sampana mpamonjy voina ity ka ny 10 fiara hoentina hamonoana ny afo, ny 3 famonjena ireo tra-boina, ny 1 fiara tsy mataho-dalana ary ny iray farany fiara be misy BEA na « Bras élévateur articulé » izay ahafahana manakatra amin’ny toerana ambony. Mahatratra eo amin’ny 214 ireo mpiasa amin’ity toby vaovao etsy Analamahitsy ity.

Ny tarigetra napetrak’ireo mpamonjy voina ao amin’ity toby ity ny hamaly haingana ny antso ataon’ny vahoaka rahamisy loza mitranga eny amin’ny toeram-ponenana sy eny amin’ny lalam-bahoaka. Hoy kosa fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, kolonely Razafimanahaka Tiana : «Manodididna eo amin’ny 35 eo ire « bouche d’incendie » misy eo amin’ny boriborintany faha-5. Mitohy hatrany ny fanamboarana izany ary hampitomboana tsikelikely ireo mpamonjy voina ireo indrindra koa famanavao ny fitanana an-tsoratra ihanykoa ny mpamonjy voina». Nilaza ny hanatombo hatrany ny toby ny sampana mpamonjy voina moa ny avy ao amin’ny kaominina.

Tato ato izay dia nirongatra ny tranga fahamaizana, tsy eto an-drenivohitra ihany fa saiky nanerana ny nosy mihitsy izay tsy fantatra nanoho ny tsy fitandremana ve za noho ny hetraketraka. Mila hampitomboana hatrany ny toby tahaka iy mbahanakaikezana ny vahoaka hatrany ary mba hanenana ny ora lany amin’ny famonoana ny afo. Mila hatsaraina koa ny fandraisana ny antson’ny vahoaka mba hamaliana haingana ny antson’izy ireo.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire