Rahoviana no hihena ny vidin’entana ?
Miandrandra ny hifantohan’ny Governemanta vaovao amin’ny sosialim-bahoaka ny mponina.
Anisan’ny mitarika resaka be teto amin’ny tany sy ny firenena ny fiakaran’ny vidin’entana izay niteraka fasahiranana ho an’ny vahoaka rehetra. Raha ny hita sy tsikaritra, nifantoka kokoa tany amin’ny lafiny fotodrafitrasa ny governemanta tamin’ity fitondra-panjakana ity: sekoly, hopitaly, lalana, kianja. Tsy heno loatra arak’izany ny teo amin’ny sehatra fampirarahana ara-barotra sy fitadiavana vahaolana ho an’ny sosialim-bahoaka.
« Tsara ireny fotodrafitrasa ireny, manatsara an’i Madagasikara fa tokony ampiarahana amin’ny sosialim-bahoaka » hoy i Bruno, raim-pianakaviana iray. Betsaka ny fasahiranana, tsy miteny ny olona fa miaritra fotsiny hoy hatrany izy. « Mila mampitombo ny hafainganam-pandehany ireo ministra vaovao mba hamahana haingana ity raharaha ity ary manaraka tsara ny vinan’ny Filoham-pirenena. Hitady ny paik’ady sy fiaraha-miasa mahomby amin’ny fanarenana haingana an’i Madagasikara fa mijaly ny vahoaka » hoy i Eric, mpandinika toe-karena.
Araka ny fampanantenan’ny Filoha, miandry fampidinana ny vidin’entana ny mponina ary miandry ny paik’ady hoentin’ny Ministra vaovao hamahana ity vidin’entana tsy mitsaha-mitombo ity. Tsy mbola mahatsapa filaminana ny vahoaka na nisolo aza ny mpikambana mandrafitra ny Governemanta. Ary miandrandra mafy ny anaovana ny sosialim-bahoaka ho laharam-pahamehana araka ny velirano napetraky ny Filoha. Fa raha nomena telo andro ireo Ministra teo aloha namahana ity olana ity, manao ahoana kosa ny an’ireto mpikambana vaovao ireto: avela hiasa hafiriana aloha izy ireo izay vao hitondra vahaolana haingana ?
Tsangy Randriamampianina
