Avaradrano : Mitohy ny hetsika fankalazana ny andron’ny sekoly
Nanao fanambarana ny avy amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena, omaly Alarobia, mahakasika ny fitohizan’ny fampianarana manerana ny Dren Analamanga. Taorian’ny filazana ireo loza manodidina ny rivo-doza Freddy, izay nanambarana ny loko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Foana izany filazana izany ary miverina ny fampianarana manomboka androany, raha ny voalaza.
« Voakasiky ny famerenana ny fampianarana avokoa na ny sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana eto amin’ny Dren Analamanga. Manomboka amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny lisea. Antony dia foana ny filazana loko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Mitohy ihany koa ny fankalazana ny andron’ny sekoly arak any fandaminana efa napetraka mialoha” hoy ny avy amin’ny DREN Analamanga.
« Ny alatsinainy 27 ka hatramin’ny zoma 03 martsa no fotoam-pialan-tsasatra araka ny tetiandrom-pianarana. Afaka tanterahina amin’io fotoana io ny séance de rattrapage ka ny talean-tsekoly no mandray andraikitra mifandraika amin’izany » hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina fa nanomboka omaly Alarobia, anio Alakamisy ary rahampitso zoma no hanatanterahana ny andron’ny sekoly. Nihato izany vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy, kanefa izao tsy nahakasika ny faritra Analamanga izao. Anjaran’ireo talen-tsekoly araka izany no mametraka ireo fandaminana enti-mandamina ny mpianatra.
Manitra R.
