Ankadikely Ilafy : Mila fanesorana haingana ireo fako ao Ambohitrarahaba
Anisan’ireo toerana ahitana fako mivangongo efa ela tsy nisy mpaka ao amin’ny fokontany Ambohirahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Mitaraina ireo mponina manoloana izany ary mitaky ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraikitra misahana izany, araka ny voalaza.
« Tena manahirana ny miaina anatin’ny fofona izay ateraky ny fako amin’izao fotoana izao. Ampian’ilay andro mafana dia tena tsy zaka ary mankarary mihitsy. Hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra ny tokony hanesorana ireo fako haingana » hoy i Hanta, mponina ao Ambohitrarahaba.
« Ny tena olana amin’ity resaka fako ity dia ny tsy fahampian’ny fanentanana eo amin’ny mponina sy ireo foto-drafitr’asa toy ny toerana fanariam-pako sy ny fakana izany ara-potoana. Hany ka lasa mifampiandry ka miandrona loatra ireo fako ka miteraka voka-dratsiny » hoy i Mbolatiana, tomponandraikitra misahana ny fahadiovana.
Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny fanesorana ireo fako isam-pokontany. Mila jerena akaiky araka izany ny mahakasika ireo fako ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, hisorohana ny mety ho voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalamana.
Manitra R.
