SocialTsidika

Fizaran-tany: Niteraka disadisa teo amin’ny Kaominina Anosy Avaratra sy Sabotsy Namehana

Tafapetraka soa aman-tsara ny « panneau de delimitation » tao amin’ny Kaominina Anosy Avaratra afak’omaly. Teo amin’ny faritra fidirana amin’ny kaominina no nametrahana izany. Tsy nankasitraka ity fotodrafitr’asa ity anefa ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.

Nisy ny savorovoro teo amin’ny roa tonta, izay niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny mpiasan’ny kaominina Anosy Avaratra.

« Faritra fizaran-tany eo amin’ny kaominina Anosy Avaratra sy Sabotsy Namehana no nasiana ity fotodrafitr’asa ity. Tao anefa ny tsy nanaiky ity fizaran-tany ity. Lasa ireo tompon’andraikitra isam-potony teto Avaradrano sy ny manam-boninahitra maro raha vao nanomboka ny savorovoro » hoy i Andry, mponina ao Anosy Avaratra. « Tsy ekena ny herisetra sy ny fandikan-dalàna, indrindra fa raha ny tompon’andraikitra voalohany eny am-potony mihitsy no manao izany. Manameloka tanteraka ny zava-nitranga izahay. Eo amin’io toerana nametrahana ny takelaka io no manasaraka ireo kaominina roa ireo. Hisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra amin’ireo tsy manara-dalàna ary ampiharina aminy ny lalàna velona » hoy i Ramiandrisoa Mahefa, lehiben’ny OMC.

Marihina fa ny taona 2015 no napetraka ho kaominina i Anosy Avaratra, izay ahitana fokontany miisa 05, raha nikambana tamin’ny kaominina Sabotsy Namehana izy talohan’izay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire