ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Notokanana ny lycée Rahombana

Notokanana tamin’ny alarobia ny lycée Rahombana ao Anosy Avaratra. Nisy ihany koa ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra naharitra tao amin’ny Zap Anosy Avaratra.

« Isaorana ireo niara-nisalahy nahatontosana ity trano fianarana ho an’ny zanak’Anosy Avaratra ity. Vina lehibe tokoa izao natao izao ho an’ny fanabeazana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Tsy adino ny fizarana koba ho an’ireo sekoly rehetra eto amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Izany dia ho hery lehibe hiatrehan’ny ankizy mpianatra ny fianarana am-pilaminana » hoy ny avy ao amin’ny Agri Koba.

Tonga nanotrona izany fitokanana izany ireo olona maro misehatra amin’ny fanabeazana. Hirariana hiroborobo hatrany ny fampianarana eto Anosy Avaratra, ho rehareha rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire