Toamasina : Hazo tsy ara-dalàna karazany maro no tratra
Hazo tsy ara-dalàna no tratran’ireo mpanara-maso ny renirano ao Mangareza tao amin’ny reniranon’i Pangalana. Olona iray no tratra teo am-pitaterana ireto hazo ireto ary nanoro ireo namany sy ny mpibaiko azy nanao izao fitrandrahana tsy ara-dalàna izao. « Nafatotra tao ambany zahatra 3 vita tamin’ny volobe tamin’ny alalan’ny tariby ireto hazo ireto. Ilay zahatra kosa nofenoina ravinala mba hanafenana ny asa ratsy » hoy ireto mpanara-maso ireto.
« Hazo «bois carré», «bois rond» ary «madriers» mitontaly 171 izay karazany samihafa ireto hazo tratra tsy ara-dalàna ireto » hoy ny kaomandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimariampirenena ao Toamasina. « Mbola betsaka ireo minia mandika lalàna manimba ny tontolo iainana any ho any izay angatahana fiaraha-miasa akaiky amin’ny mponina eny ifotony izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Enjehina, ary tsy eken’ny lalàna, ny hetsika fanimbana ny firenena sy ny voaary ao anatiny noho izy ireo miantoka betsaka ny tontolo iainana. Tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fampanajana izany lalàna izany satria isika ihany no hizaka ny vokany eto raha mikorotana ny firenena sy ny tontolo iainana.
Nicole Rafalimananjara
