ActualitésTsidika

Fifamoivoizana : Hisy ny fizarana maimaimpoana ny « application » ho an’ny lalàn’ny fifamoivoizana

Hisy ny fampirantiana ny asan’ny Polisim-pirenena ny 2 sy 3 desambra ho avy izao eny amin’ny Parvis Analakely. Hozaraina maimaimpoana mandritra izany ny torohay, na ny « application », manodidina ny fifamoivoizana izay nampitondraina ny anarana hoe « Fifamoivoizana ».

« Hitantsika ao amin’ity application ity ny lalàna manodidina ny fifamoivoizana rehetra ny sazy ary ny lamandy aloa raha misy ny fandikan-dalàna, ary indrindra ireo fihetsika tokony hatao hisorahana ny loza eny an-dalana » hoy ny avy eo amin’ny Polisim-pirenena. « Tokony mampihena ny trangana kolikoly eny an-dalana ny fisian’ity zava-baovao ity satria noho ny tsy fahafantarana ny lalàna no tena mampisy ny kolikoly » hoy i Myriam, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Tsy misy intsony ny olona ambony afaka manararaotra ny olona iray amin’ny tsy fahafantarany ny lalàn’ny fifamoivoizana, hozaraina maimaimpoana izany ka aoka tsy hisy hifanararaotra indray ka hivarotra rehefa nahazo » hoy i Haja, Polisy iray.

Manampy betsaka an’ireo mpampiasa lalana tokoa ny fananana ity « application fifamoivoizana » ao anaty finday. Antenaina fa hihena ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana, izay efa saika ho isan’andro eto amintsika. Ho betsaka ve ireo liana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire