Ampasambazimba : Miaina ao anaty tebiteby ny mponina
Latsaka ao anaty tahotra sy horohoro tanteraka ny mponina ao Ampasambazimba amin’izao fotoana izao noho ny vaky trano mateti-piseho any an-toerana. Tokantrano iray indray no nidiran ‘ny jiolahy ny 29 novambra teo tokony ho tamin ‘ny 01 sy 30 maraina.
« Tsy mifidy asiana intsony ireo jiolahy. Lasa ny kojakojan-dakozia rehetra, fa kosa mba tsy nisy kosa ny aina nafoy » hoy ny sefom-pokontany ao Ampasambazimba. « Tapa-kazo mivoritra lamba no hitanay teo an-tokontany ny maraina, efa indroa izay ny jiolahy no nanafika anay tao anatin’ny iray voana monja » hoy tompon-trano lasibatry ny fanafihana.
« Tena mijaly izahay mponina aty fa tena tsy mandry andro tsy mandry alina ka tsy mba afaka ny mihary am-pilaminana fa robain’ny jolahy foana, miantso ny tompon’andraikitra mihitsy hanome vahaolana haingana ho anay » hoy i Fredeline, mponina ao Ampasambazimba. Tokantrano iray hafa ao Ampasambazimba ihany koa no fantatra fa nidiran ‘ny jiolahy ny ny ampitson’io andro io, ka lasan’ireo jiolahy ny zava -maneno tao an -trano toy ny « bafle « sy ny « ampli ».
Manao antso vonjy noho izany Ampasambazimba manoloana ny tsy fandriampahalemana mampijaly ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
