Antsohihy : Hamoraina ny fomba fandoavana Hetra
Notontosaina ny alatsinainy, 29 novambra teo tao amin’ny renivohitry ny Faritra Sofia, Antsohihy, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika « Anjara Hetrako sy ny e-Hetra Phone ».
Ao Antsohihy, Faritra Sofia no voalohany nanatanterahana azy ity taorian’ny teto Antananarivo. « Anisan’ny faritra tena mavitrika amin’ny fandoavana hetra ny aty Sofia, ahitana taha ambony ny fandraisana anjaran’ny mponina amin’ny fanefana ny adidy » hoy ny governoran’ny faritra Sofia. « Ny hetra no anisan’ny fototry ny fampandrosoana. Ny vahoaka mandoa hetra no ahafahana mandroso, na io tanàn-dehibe na io ambanivohitra » hoy i Fenitra, manam-pahaizana manokana mikasika ny hetra.
« Fanamorana ny fandoavan-ketra ny fampiasana ny e-Hetra Phone amin’ny alalan’ny mobile money. Hamoraina ankehitriny ny fomba ahafahana mandoa hetra mba hampavitrika sy hampitombo ny isan’ny olona mandoa hetra » hoy ny solontenan’ny tale jeneralin’ny hetra izay tonga tany Antsohihy. Nisy ny fandraisana ireo olona handoa hetra taorian’io fampahafantarana izay hita fa tena maro tokoa ny olona tonga, satria eo noho eo dia mahazo ny karatra mpanefa hetra « carte fiscale ».
Antenaina fa faritra tena handroso indrindra ihany koa izany i Sofia.
Nicole Rafalimananjara
