Fiarovam-pirenena : Mianatra teny anglisy ny tafika
Efa mandeha ankehitriny ny fampianarana teny anglisy andiany faharoa eo amin’ny ivon-toerana fampianarana teny anglisy ao amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena. Miaramila 30 miandahy no hanaraka ny fianarana, izay haharitra enim-bolana, ahitana ny manamboninahitra, manam-boninahitra lefitra ary miaramila an-daharana.
« Tena ilaina eo amin’ny Tafika Malagasy mihitsy ny mahay teny vahiny mba hisian’ny serasera eo amin’ny firenena hafa, ary indrindra ihany koa manoloana ireo sehatra iraisam-pirenena izay saika amin’ny teny anglisy avokoa » hoy ny miaramila iray. « Zava-dehibe loatra ny fahaizana teny vahiny indrindra amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao sy ny fivelaran’ny fifandraisan’ny Tafika Malagasy amin’ireo firenena mpiara-miasa » hoy ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard. « Manome toky fa hanohana hatrany ny tafika Malagasy izahay ary tena ankasitrahanay izao fianarana ny teny anglisy izao hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amintsika » hoy ny Tompon’andraiki-draharahan’ny fiarovana eo amin’ny Masoivoho Amerikanina.
Isan’ireo mitondra fampandrosoana tokoa ny serasera amin’ny alalan’ny teny, ka mila fifehezana izany. Tsy ho an’ny tafika ihany no tokony hahay teny vahiny fa indrindra isika vahoaka ety ifotony.
Nicole Rafalimananjara
