Fiadian-toerana amin’ny CAN : Lalao roa miantoana no hotanterahin’ny Barea amin’ny volana martsa
Ny volana martsa izao no hotanterahina ny andro fahatelo sy fahaefatra izay hilalaovan’ny Barea ho fiadiana ny toerana hiatrehana ny CAN 2023 izay hatao any Côte d’Ivoire. Ny 23 martsa sy 27 martsa izao no hanatanterahana izany izay samy hifanandrinana amin’ny Centrafrique avokoa.
« Eo amin’ny kianja Mahamasina no hanatanterahana ny lalao mandroso ny 23 martsa izao raha any Douala kosa no hanatanterahana ny lalao miverina. Ny kianja any Douala izay mbola holazaina miandalaa eo ihany. Hifanandrina amin’ny zareo avy any Centrafrique hatrany ny Barea amin’ireo andro roa ireo ary efa hanomboka tsy ho el any fampivondronana hahafahana manoman-tena. Hiarovana ny voninahi-pirenena no antony hiomanana amin’ny hery rehetra », hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra.
« Tena tsy maintsy manome vokatra tsara ireto Barea ireto mandritra ireo lalao roa ireo raha mbola te hanatrika indray izany CAN izany satria somary efa ratsiratsy toerana izany hoe efa any amin’ny laharana farany izy ireo izao ao amin’ny vondrona E izay ka mila ezaka tena ngeza be. Io fampivondronana io hatrany no olana ka tokony efa fantatr’ireo mpanazatra satria zary tsy misy firaisan-tsaina rehefa tsy mihaona matetika », hoy i Toky, mpankafy baolina kitra tamin’ny fanehoan-keviny.
Tsara ny manamarika fa noho ny tsy fananan’ny Centrafrique kianja manaraka ny fenitra dia voatery ivelan’ny faritaniny no hanatanterahana ny lalao miverina izay hatao any Douala io. Tonga indray ity ny fotoana hanohanana ireto ekipam-pirenena sady rehareha ireto.
Miora Raharisolo
