Vonjy aina : Miantso ireo mpanome ra i Anja Andriantiana
Tojo tsy fahasalamana ankehitriny i Anja Andriantiana. Isan’ireo mpilatro sy mpampilatro manana ny lazany eto Madagasikara izy. Efa vita ny dingana rehetra amin’izao fotoana izao. « Eto vao tena ho mafy ny ady. Hiatrika fandidina ny tenako alohan’ny faran’ny volana febroary izao farafahatarany mialohan’ny tena fitsaboana farany. Mila fanampiana avy aminareo namana ny tenako » hoy i Anja Andriantiana. Mila ra ny tenany noho izany ary miantso ireo tsara sitra-po afaka manome izany. Mpanao fanatanjehan-tena ihany koa i Anja Andriantiana. Mpisehatra ao amin’ny taranja ady totondry izy.
Iza avy no afaka manome ra ? Afaka manome ra avokoa ireo mihoatra ny 18 taona ka latsaky ny 50 kilao. Salama tsara tsy misy aretina mitaiza. Tsy manaraka fitsaboana sy mihinana fanafody toy ny diabeta, tosi-dra sy ny tsy ampy ra. Tsy tokony hanome ra ihany koa ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono. Tsy tokony hisotro toaka alohan’ny 72 ora hanomezana ny ra ny mpanome ra iray.
Ny sabotsy 19 febroary izao amin’ny 7 ora maraina no handraisana ireo tsara sitra-po hanome ra ao amin’ny hopitaly HJRA Anosy. Tsara raha mihinana sakafo tsara sy tsy miari-tory alohan’ny hanomezana ra.
Miantso ireo namany ao anaty fanatanjahan-tena afaka manome ra ny tenany noho izany. Vonjy aina ary mizara aina ny fanomezana ra ho an’ny olona iray mila izany. Tsy misy hafa-tsy isika samy olombelona ihany no mifamonjy. Adidy amin’ny mpiray tanindrazana rahateo ny fanomezana ra maimaimpoana. Nahazo maimaimpoana isika, tsara raha mizara maimaimpoana ihany koa. Tsy misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana akory ny fanomezana ra.
Nicole Rafalimananjara
