Fahasalamana : Manampy betsaka ny hery fiarovana ny navet
Legioma mitovy amin’ny betterave ny navet. Samy mitondra soa ho an’ny fahasalamana izy roa. Horesahina anio indray ny navet izay maro ihany koa ny tombontsoa azo amin’ny fihinana azy.
Tsara ho an’ny olona voan’ny homamiadana ny navet ary miaro amin’ny aretin’ny homamiadana ihany koa izy. Manala ny fanaintainana sy miaro amin’ny bakteria izy. Mety tsara ho an’ny olona diabetika sy ireo manana tosi-dra ambony ny navet. Manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina sy mampikoriana tsara ny ra ihany koa izy. Manampy amin’ny tadidy sy manatsara ny maso ny navet. Azon’ny vahivavy bevohoka atao tsara ny mihinana navet satria mitondra fahasalamana ho azy sy ny zazakely ao am-bohoka. Mampitombo ny hery fiarovana amin’izao vala,n’aretina izao ny navet. Azon’ny rehetra hohanina izy. Misy ny manao azy toy ny lasary na mampifangaro azy amin’ny legioma hafa fanao lasary. Azo atao ranony ihany koa izy ary asiana karoty sy persily na celeri.
Tsy vitsy ihany koa ny olona mihinana azy manta.
