23 Martsa, andro iraisam-pirenena momban’ny toetry ny andro.
Mifandray tanteraka amin’ny toekarena eran’izao tontolo izao ny toetr’andro. Misy hifandraisany amin’ny endriky ny toetr’andro avokoa ny hetsika hataon’ny olombelona rehetra. Nohon’ny fitomboan’ny zavatra ataon’ny olombelona, tsy manam-potoana firy hiatrehana ireo loza mety hitranga vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro isika. Tsy ny eto Madagasikara irery ihany, fa manerantany mihitsy no tsikaritra fa iharan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro ankehitriny. Isaky ny fankalazana moa, misy hatrany ny lohahevitra hoentin’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny famantarana ny toetry ny andro (OMM) mankalaza izany. Anisan’ny manaraka izany lohahevitra izany isika eto Madagasikara. Raha ho an’ity taona ity, himasoana manokana ny mahakasika ny « ranomasina, ny toetry ny andro ary ny toe-taona ». Nofidiana manokana ny lohahevitra mba hanasongadinana ny fifandraisana misy eo amin’ny ranomasimbe sy ny toetry ny andro ary ny famantarana ny toe-taona. Manana ny lanjany lehibe mantsy ny ranomasimbe amin’ny fahafantarana ny toetry ny andro raha ny fanadihadihana nataon’ny teo anivon’ny minisitera tompon’andraikitra amin’izany. Ny siansa ihany koa no manporofo fa mandrakotra ny 70% ny velarantany ny ranomasina ka misy fiantraikany amin’ny toe-tany sy ny toe-taona. Noho izany, maro ny olona na eto Madagasikara na any ivelany no mivelona tanteraka eny amoron’ny ranomasina. Izany indrindra no anton’ny fankalazana sy fanamarihana manokana mba hisian’ny fanajana ny tontolon’ny ranomasina satria mponina maro no mivelona amin’izany.
Fanilo Rarivoarilala
