ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Mahaliana ny tanora ny fiseharana amin’ny sehatry ny tontolo iainana.

Tetik’asa avy amin’ny tanora miisa 30 eo ho eo no hampiranty ny asan’izy ireo ao amin’ny IKM Antsahavola. Tetik’asa izay tohanan’ny PPAEI sy ny OIF izany. Mahaliana ny tanora ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny manodidina izany ka hampiroboroboana ny asan’izy ireo dia nampiranty izany vokatra izany tao amin’ny IKM Antsahavola izy ireo nandritra ny roa andro.

“Hetsika iray entina hanampiana ny toe-karena maitso ity hetsika ity. Io ihany koa ny fotoana iray hihaonan’ireo tanora mpandraharaha hahafahan’izy ireo mifanakalo hevitra. Nomena tosika sy fampianarana ihany koa izy ireo mba hahafahany mampiroborobo ny asany sy mba hahafahan’izy ireo mandray anjara tanteraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Raha tsy hanome ohatra afatsy ny fahaiza-mitantana aho, nahazo fampiofanana mahakasika ny marketing izy ireo ary nahazo teknika vaovao ihany koa amin’ny resaka varotra”, hoy i Tsikitsiky Razanamasy, avy ao amin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena.

“Fotoana iray hahafahana mandray lesona sy mampitombo ny asa izay hatao indrindra hiarovana ny tontolo iainana iny fotoana iny. Nisafidy manokana ny hisehatra amin’ny tontolon’ny angovo azo havaozina satria izany no tena ilaina amin’izao fotoana izao rah ate ho anisan’ny mpandray anjara amin’ny firaovana ny tontolo iainana ny olona iray. Azony atao ny mampihena ny fanapahana ala amin’ny alalan’ny tsy fampiasana ny saribao intsony ohatra”, hoy ny solonteann’ireo tanora mpandray anjara amin’ny fampirantiana.

Tanora miisa 70 no nahazo fampiofanana taorian’ny fampirantiana izay natao k any avy aop amin’ny OIF no hanolotra izany. Ny tanjona amin’izany mba hampiakarana ny lentan’ny fikafika rehetra hiarovana ny tontolo iainana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire