ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hanomboka ny hetsika fankalazana ny krismasy isam-pokontany

Hanomboka rahampitso zoma 16 desambra ny hetsika fankalazana ny krismasy izay atao isam-pokontany, ao amin’ny kaomnina Ambohimanambola. Ny fokontany Ambohibato no hanokatra izany fety izany, raha ny voalaza.

« Maro dia maro ny zavatra ho hita amin’ireo daty fankalazana ny hetsika toy ny bapamba rodobe, ny pack Beantitra, ny son sy tam tam mobile, ny hetsika kaominina manakaiky vahoaka, ny e-resaka, ny revy bampampa, fizarana vatomamy sy dadabe noely ary ireo kilalao maro isan-karazany, entina hampifalifaliana ny rehetra mandritra izao fety izao » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Anisan’ny fotoana iray hanaovana izay mety ny volana desambra tahaka izao, ao anatin’izany ny fanomezana sy fizarana hafaliana ho an’ny rehetra. Hisaorana ireo tomponandraikitra sahady ny fanatanterahana sy ny fikarakarana izany » hoy i Tiana, mponina ao Ambohimanambola.

Samy hahazo ny anajarany avokoa ny sokajin-taona rehetra mandritra izany hetsika Krismasy isam-pokontany izany. Tanjona ao anatin’izany moa ny hisitrahan’ny vahoaka fety sy fifaliana mitovy isam-pokontany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire