Polisy iray tao Virginie nahavita namono olona tamin’ny fotoana tsy nandehanan’ny “camera”
Polisy iray tao amin’ny torapasik’i Virginia no namono tovolahy tokony ho 25 taona teo ho eo ny alin’ny zoma 26 martsa lasa teo. Nisy fifampitifirina izay tsy fantatra mazava ny antony teny an-toerana tamin’io fotoana io. Nandritra izany indrindra no nahafantarana fa tsy novelomin’ilay polisy ny fakan-tsary mipetaka amin’ny akanjony izay tokony handeha foana raha araka ny lalàna. Tsy navoakan’ny teo anivon’ny polisim-panjakana ao Virginie ny mahakasika ity polisy nahavanon-doza ity raha ny fampitam-baovaon’ny CNN. Donovan Lynch kosa no anaran’ilay lehilahy voatifitra. Maity hoditra ity lehilahy ity hoy ny CNN nanamafy. Nambaran’ny mpitantana ny biraon’ny polisy ao an-toerana fa mbola tsy voahadihady tsara ilay polisy voatondro ho nanao ny fitifirana ka tsy mbola afaka avoaka ny mombamomba azy. Miely kosa ny tsaho mahakasika ny hoe tsy nitondra fitaovam-piadiana i Donovan Lynch io andro io. Manambara kosa anefa ny eo anivon’ny polisy fa nahitàna basy manodidina ny toerana nahavoatifitra azy. Mbola andrasan’ny maro ao an-toerana araka izany ny tohin’ny raharaha.
https://www.tvanouvelles.ca/2021/03/28/sa-camera-corporelle-fermee-un-policier-tue-un-homme
