Toe-karena : Mitondra inona ny fifampandinihana teo amin’ny Union Euriopéenne sy i Madagasikara ?
Notanterahina ny 19 novambra teo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny dinika politika andiany faha-9 teo amin’i Madagasikara sy ny Union Européenne. Nifantoka tamin’ny fanarenana ny lafiny toe-karena sy ny fanohanana ny fianakaviana marefo vokatry ny covid-19 ny resaka nandritra izany. « Tanjona ny hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana efa nisy nandritra ny 60 taona mahery, ary mbola hotohizana izany ho tombontsoan’ny firenena sy ny Malagasy tsivakivolo » hoy ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. « Hevi-dehibe telo no noresahana tao toy ny ny fahaiza-mitantana ny zava-misy ara-politika sy ara-toekarena, ny zon’olombelona sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Union Européenne » raha ny tatitra taorian’ny fihaonana.
« Efa betsaka ihany izay fandraisana mpiara-miasa teny Iavoloha izay tato ho ato ary mba tena hanova ny firenena sy ny vahoaka eo aminy tokoa ve izany ? » hoy i Tsilavina, mpianatra ao amin’ny Faculté de Droit et de Sciences Politiques Ankatso. Nanampy trotraka ny efa fahasahiranana nisy teo aloha ny fisian’ny valan’aretina covid-19. Efa betsaka ny fiaraha-miasa natao saingy mbola tsy hita hatramin’izao izay fiovana fa nanjary fomba fotsiny izany satria tsy nikasika be ny fiainam-bahoaka.
Ho tafavoaka ao anatin’izao fahasahiranana izao ihany ve isika ?
Nicole Rafalimananjara
