Fampianarana Ambony : Midangana, tsy zakan’ny mpianatra ny vola aloa ao amin’ny Fakiolten’ny EGS
Efa mandeha ankehitriny ny fisoratana anarana hianarana ao amin’ny lalam-piofanana toe-karena, fitantanana ary ny haifiarahamonina eny amin’ny Oniversite Ankatso. Mitaraina manoloana ny fidangananan’ny vola aloa mandritra izany ireo mpianatra kanefa ny vatsi-pianarana tsy nivoka.
« Terena handoa ny saram-pianarana mihoatra amin’ny tokony ho izy izahay mpianatra manao réinscription kanefa amin’ny maha mpianatra anay dia tsy manana fahafahana ara-bola izahay fa miandry ny vatsim-pianarana ary izay koa no tsy hianaranay any amin’ny amin’ny oniversite tsy miankina » hoy i Heritiana, mpianatra manaraka ny fiofanana ao amin’ny fitantanana. « Ny 19 novambra no farany nandoavana ny vola fisoratana anarana kanefa vao ny omalin’io izy no nampilaza anay ka mangataka ny hanafoanana izany izahay » hoy hatrany ireto mpianatra. « Tsy maintsy hahenoana fitarainana foana ve izany eny Ankatso isaky ny mihetsika izao fa tena tsy miasa mihitsy ve ny ao amin’ny Ministera ao ? » hoy i Claude, mponina manodidina an’Ankatso.
Etsy an-kilany tsy afaka mihetsika ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra noho ny tsindry ataon’ny ministera azy.
Ny resaka digitalisation moa dia mikorontana tanteraka, raha ny nambaran’ireo mpianatra hatrany. Rahoviana vao hisitraka fanabeazana am-pilaminana isika eto Madagasikara ?
Nicole Rafalimananjara
