Antsohihy : Fifidianana izay ho filohan’ny mpianatra avy any Antsohihy mianatra eto Andrenivohitra
Tanora roa mianadahy no nirotsaka ho fidiana izay ho filoha hitarika ireo mpianatra avy any Antsohihy mianatra eto Antananarivo. Izy ireo ihany no vonona nilatsaka tamin’izany fifidianana izay ho filohan’ny mpianatra avy any Antsohihy izany.
« Ilaina ny fanatsarana sy fampandehanan-draharaha ary fanamasina orina ny firaisankinan’ireo mpianatra zanaka Antsohihy‚ mandranto fianarana ao Antananarivo. Hanamafy sy hitarika amin’izany ny filoha » hoy i Nati, mpiantra avy any Antsohihy mianatra eto Andrenivohitra. « Ireo voasoratra anarana ao anaty fikambanana ihany no nahazo mifidy. Ao anatin’ny mangaraharaha hatrany no anatanterahana izany fifidianana izany » hoy ny filoha amperin’asa Moldine Morizio.
Ilaina ve ny fampivondronana ireo mpianatra iray tanindrazana mianatra any amin’ny toerana lavitra ? Toa ireny no tena mitarika korontana sy mihantsy ady rehefa isy zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreretiny.
Nicole Rafalimananjara
