Tontolo iainana voakajy : Ho an’ireo taranaka rahatrizay.
Isika rehetra no tompon’andraikitra amin’ny tontolo iainantsika fa indrindra ho an’ireo taranantsika ho avy. Tsy mitsahatra manentana ny hikajiana ny tontolo iainana ny avy ao amin’ny Ministera mpiahy izany. Ny tetik’asa “Hiaka ho an’ny ala” dia isan’ireo fanentanana sy fanabeazana ara-tontolo iainana karakarain’izy ireo. Tanterahan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana Lovainjafy ity tetik’asa ity amin’ny alalan’ny DCSI ary vatsian’ny Vondrona Eoropeanina sy ny BMZ vola. Nomen’izy ireo fitaovana fitaovana araka izany ny Fitaleavana iraisam-paritra ho an’i Boeny sy Betsiboka miaraka amin’ny Fitaleavam-paritra valo. Fitaovana izay ho entin’izy ireo manamafy ny fanentanana sy fanabeazana ara-tontolo iainana. Mila entanina ny olom-pirenena tsirairay, ny fokonolona ifotony ary ny mpiara-miombon’antoka mba hiara-hientana manoloana ny loza mitatao amin’ny tontolo iainana ankehitriny. Efa vina napetrakin’ny Ministera ny hisian’ny fandrosoana lovainjafy sy ahafahana mametraka fitantanana maharitra ireo harem-pirenena Malagasy. Noho izany isika rehetra no hiara-hisitra ny tontolo iainana raha voakajy sy voarindra araka ny tokony ho izy izy.
Nicole Rafalimananjara
