Dépêches

Manakara: Efa tonga ao an-toerana ny fitaovana hanamboarana ny tetezana

24 Janoary, 10h00. Anisany nizaka ny vokan’ny rivodoza ihany koa i Manakara. Tapaka nandritra io loza voajanahary io ny tetezana ao Manakara Be. Efa tonga ao an-toerana sahady kosa ny fiara vaventy mitondra ny fitaovana anamboarana izany. . Miisa 5 ireo fiara lehibe efa tonga raha mbola eny an-dalana ny fiara 5 farany, hameno azy ho 13. Hanomboka tsy ho ela ihany koa arak’izany ny asa fanarenana.

Laisser un commentaire