Fanjonoana antsokosoko aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara
Sambo Srilankais miisa roa( Ruth baby sy Ruth Baby 3) tratra nanjono antsokosoko teto amin’ny fari-dranomasin’I Madagasikara no nogiazan’ny fanjakana Malagasy miampy fandoavana lamandy 1,050 miliara ariary isaky ny olona ary 900 tapitrisa ariary isaky ny fesotsy (dauphin) miampy figadrana 02 volana an-tranomaizina ireo mpanjono antsokosoko ireo. Nomena ho ampiasain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toerana manga ireo sambo ireo ary ho ampiasaina amin’ny fanaraha-maso ny jono.Fanintelony izao no nahatratrarana sambo Srilankais nanjono tsy ara-dalàna aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
