ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misokatra ho an’ny rehetra ny fampianarana

Maro ireo fampianarana maimaim-poana ho hita ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ato ho ato. Misokatra ho an’ny rehetra ary tsy mifidy taona ny fampianarana, araka ny voalaza.

« Anisan’ny nahavariana nandritra ny fanombohan’ny fampianarana teny japoney teo, maro ireo tanora avy any alavitra no tonga hianatra teto an-toerana. Nisy ireo avy any Ivandry, Ankatso, Ampitatafika, Ambohidratrimo sy Analakely no tonga nanovo fahalalana teto amin’ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra.

« Tsy mahasakana ny fikaroham-pahalalana ny alavirana. Izany no hanentanana hatrany ireo tanora hianatra sy hilofo ary hazoto hatrany fa ny fampianarana no fototra raha te handroso sy hivoatra amin’ny fiainana » hoy i Haja, raim-pianakaviana.

Amin’izao fotoana, dia ny fampianarana teny japoney no efa manomboka ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Isaky ny zoma ny fampianarana ao amin’ny EPP Antanambao, amin’ny 2ora sasany hatramin’ny 4ora hariva.

Laisser un commentaire