ActualitésTsidika

Manomboka amin’ ny asa fanamboaran-dalana ny any amin’ny faritr’i Toamasina

Anisan’ny lalana ratsy any amin’ny faritr’i Toamasina ny lalana mampitohy ny seranam-piaramanidina sy ny lalam-pirenena fahadimy. Noho izany indrindra no nisian’ny fiaraha-miasa amin’ny fanamboaran-dalana izay mirefy 2 kilometatra, manomboka eny amin’ny PK 0 hatrany amin’ny PK 2 Ambilohalava. Ho atao amin’ny tara sy manara-penitra ny fanamboaran-dalana. Mitentina eo amin’ny 239 000 000 ariary ny tety bola hampiasaina amin’izany.

Anisan’ny mampihena ny tahan’ny fizahan-tany ny olana eo amin’ny faharatsian’ny lalana izay hita manerana ny nosy. Teny fampanantenana nataon’ny filoha ankehitriny nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny hitadiavana vahaolana maharitra manoloana ny faharatsian’ny lalana. Voamarina ankehitriny fa tsy fampanantenana paokaty ireny natao ireny Maro ireo tetikasa efa natomboka mahakasika ny fanamboaran-dalana, indrindra ireo lalam-pirenena.

« Ho atao tara mafy tsara ny lalana ka asiana fantsona fivarinan’ny rano ny sisin’ny lalana izay hoanmboarina, vinavinaina haharitra mandritra ny raopolo andro ny asa » hoy i Ravo, mpiasa ao amin’ny HITA. « Famoronan’asa ho an’ny tanora izay monina ety amin’ny manodidina izao, raha tsihahivina mantsy dia efa nisy ny asa fanadiovan-dalana izay nataon’ny fokonolona » hoy i Rija, mponina any an-toerana. « Betsaka loatra ny vola mivoaka amin’ny fanjakana amin’izao fotoana noho ny fanamboarana fotodrafitr’asa etsy sy eroa, lasa toy ny hoe fanjakana mpangana tetikasa fotsiny ihany isika fa tsy mamaha izay tena olana ifotony mahazo ny vahoaka Malagasy » hoy i Ndriana, mpanao politika. « Midika fa hanaraka ny fenitra takiana izao fanamboaran-dalana izao noho izy izay misy antoka mandritra ny dimy taona, tafiditra indrindra amin’ny atao hoe fandraisana andrakitra ara-tsosialy sy ara-ekomika ny orin’asa ho an’ny tanindrazana izao asa fanamboarana ataonay izao » hoy i Razafindrazaka Handisoa, Tale Jeneralin’ny orin’asa HITA ao Toamasina. Anisan’ny handaniana vola betsaka indrindra amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana ny asa fanamboaran-dalana saingy tsy hita taratra ny fikojakojana ataon’ireo mpampiasa lalana isan’isany.

Fanana iombonan’ny Malagasy rehetra ny lalana koa anjaran’ny isam-batan’olona ny mikarakara azy ireny. Ampahatsihahivina hatrany fa amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra izay ataon’ny mponina no ahafahan’ny kaominina iray manangana fotodrafitr’asa koa izany indrindra no hanentanana antsika olom-pirenena hanefa izany, ho an’ny soa iombonana. Entanina hatrany ihany koa isika hanaja ny fananana iombonana ho an’ny fampandrosoana ny faritra misy antsika.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire