Fanatanjahan-tena : Niondrika teo anatrehan’ny Ouganda sy Gabon i Madagasikara
Dépêche 24 octobre, 15h06, Tsy nahomby ny lalao nifanandrinan’ireo Barea ny faran’iny herinandro lasa teo iny na teo amin’ny taranja baolina kitra lalaovina eny amin’ny ahitra maitso izany na ny lalaovina eny amin’ny tora-pasika. Niady tamin’ny Gabon ny Barea U23 ny mahakasika ny lalao baolina kitra amin’ny ahitra maitso ka lavo tamin’ny isa 1 noho ny 0. Teo ihany koa ireo Barea mpilalao baolina amin’ny tora-pasika dia lavon’ny Ouganda tamin’ny isa 6 noho ny 3 nandritra. Ireto « Barea beach soccer » noho izany dia tsy manantena intsony ny lalao manasa-dalana taorian’ny fahareseny teo anatrehan’ny Egypte ihany koa. Maro ny lesoka amin’ny resaka fanatanjahan-tena, azo arenina daholo anefa izy ireny.
