Basket : Mamiratra hatrany ny COSPN nandritra ny lalao Road to Bal
Dépêche 24 octobre, 15h30, Ry zareo Kenianina no nifanandrina tamin’ny mpilalao avy ao amin’ny Polisim-pirenena ny alahady teo tamin’ny lalao Road to Bal izay notanterahina tetsy Mahamasina. Nivoaka mpandresy nanoloana izany ry zareo COSPN tamin’ny isa 66 noho ny 60. Mitana ny laharana voalohany aoa antin’ny vondrona D izany izao izy ireo noho ireo fandresena roa mientoana izay azony, anisan’izany ny nifanandrinana tamin’ny Comore ka nahazoana isa 110 noho ny 58. Tafiaktra amin’ny dingana manaraka noho izany izy ireo ary mitady izay fanatsarana hatrany ho atao amin’ny ekipa.
