Ambohitromby: Mizotra ny fanamboarana ny lalana rari-vato ao amin’ny kaominina
Mitohy zotra ny asa fanamboarana ny lalana rari-vato ao amin’ny kaominina Ambohitromby amin’izao fotoana izao, izay ataon’ny avy eo anivon’ny faritra Analamanga. Efa an-dalam-pahavitanana ny asa, raha ny voalaza. Efa mipetraka avokoa ireo rari-vato amin’ny lalana, ny “compactage” sy ny “ceinture” no andalam-pametahana amin’izao.
“Anisan’ny mitsinjo ireo mpampiasa lalana mandritra ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny fanaovana ezaka amin’ny fanamboaran-dalana tahaka izao. Ho mora kokoa ny fivezivezen’ireo olona sy ny famohana ireo ny vokatra ao an-toerana, izay nanahirana ny mponina teo aloha” hoy I Donat, mponina ao Ambohitromby.
“Mbola maro ireo lalana eto an-drenivohitra mila fanamboarana, indrindra fa ireo lalana mampitohy amin’ireo kaominina ambanivohitra. Anisan’ny mampikatso ny famoaham-bokatra sy ny fifezivezena mandritra ny fotoan’ny fahavaratra izany” hoy I Jocelyn, mpamboly.
Fanentanana tokony hatao mahakasika ny foto-drafitr’asa tahaka izao ny fanentanana ny rehetra mba hahay hanaja ny fananana iombonana, indrindra ireo fiara mpitatitra entana, ny amin’ny fanajana ny fenitra amin’ny vesatra tokony handeha amin’ny lalana ho fikojana ny lalana.
Manitra Ramanantsoa
