SocialTsidika

Inona avy ireo karazana vaksiny entin’izao tontolo izao miady amin’ny coronavirus ?

Efa saika manome vaksiny ny mponina ao aminy avokoa ny firenena maneran-tany amin’izao. Misy ny efa ela no nizara ny vaksiny, raisina ohatra amin’izany i Etat Unis izay efa ny volana desambra 2020 no nanomboka nampiasa azy. Ny sasany kosa somary taraikiraiky. Tsy ny firenena rehetra anefa no afaka manamboatra ireny vaksiny ireny. Ny firenena matanjaka ihany no manana fahafahana ara-bola hanaovana fikarohana mikasika ity vaksiny hiadiana amin’ny covid-19 ity. Tsy mitovy koa ny fomba fanamboarana ireo vaksiny ireo. Misy karazany efatra ny lalantsaina nitondrana ny fomba fanamboarana ny vaksiny.

Karazany voalohany horesahintsika ny vaksiny mampiasa ny « ARN messager ». Izy io no voalaza fa hiaka farany amin’ny vaksiny. Ampidirina amin’ny vatan’olombelona ny singa antsoina hoe « ARN messager », izay singa foronina, mitovitovy endrika amin’ny ampahany amin’ny coronavirus nefa tsy izy. Manosika ny vatan’olombelona hanamboatra « protéine » manokana hiady aminy io « ARN messager » io, ka rehefa tonga ilay tsimok’aretina coronavirus tena izy, dia efa vonona ilay « anticorps » miady aminy. Mampiasa ity teknolojia ity ny Pfizer/BioNTech sy ny Moderna.

Ny karazany faharoa dia ny fampiasana ny « virus inactivé ». Izy ity no be mpampiasa indrindra. Teknika efa nampiasaina tamin’ny vaksiny hafa ihany (poliomyélite, grippe, diphtérie, tétanos) no ampiharina eto : tsimok’aretina coronavirus noalefahana no ampidirina amin’ny vatan’olombelona, mba ahafahan’ity farany mizatra ny fisiany sy mizatra miady aminy, ka tsy hanano-sarotra rehefa tonga ilay tsimok’aretina tena izy. Mampiasa ity teknolojia ity ny Sinovac, ny Sinopharm, ny Bharat biotech.

Ny fahatelo dia ny « vecteurs viraux ». Tsotra ny fomba fiasany : mampiasa tsimok’aretina hafa, malefaka kokoa, antsoina hoe « adenovirus » ny mpikaroka ka izay no ampiana ampahany amin’ny coronavirus. Lasa mitovy amin’ny coronavirus ity tsimok’aretina ity, saingy malefaka ary tsy afaka miparitaka. Mamorona « anticorps » miady aminy ny vatan’olombelona, ka tsy mampaninona azy intsony rehefa tonga ny coronavirus tena izy. Mampiasa ity teknolojia ity ny AstraZeneca, ny CanSino Biologics, ny Sputnik V, ny Johnson&Johnson.

Ny karazany farany dia ny « vaccin à sous-unité protéique ». Tsy misy tsimok’aretina ampidirina amin’ny vatan’olombelona fa ampahany  amin’ny « protéine Spike » no ampiasaina. Voalaza fa ity teknolojia farany ity no azo antoka indrindra. Ara-taratasy ihany anefa izany filazana izany satria mbola tsy vonona ny fanaparitahana ity karazana vaksiny ity. Mbola tsy nahazo alalana izy hatramin’izao. Ny Novavax sy ny Sanofi-GSK no mampiasa ity teknolojia ity.

Laisser un commentaire