Social

Mampitaraina ny mponina ny andiam-balala tao Nikoly

Akoatra ny rivo-doza, tena anisan’ny manimba ny vokatra eto Madagasikara ihany koa ny valala. Nirongatra izay tsy izy ny valala tao amin’ny distrikan’i Tsihombe, faritra Androy. Vokany, simba tanteraka ny voly. Nanao fitarainana ny mponina tao Nikoly izay voakasik’ity andiam-balala ity. Ny vokatra amin’ity taona manontolo ity mihintsy no voakasik’ity olana ity raha nambaran’izy ireo. Ary nohamafisiny fa ny valala no mamono azy ireo raha nambaran’izy ireo ihany. Tena nomokatra ny voly fa ny valala koa manao ny ataony ka niteraka fijalin’ireo tantsaha izany. Efa tonga any an-toerana ny ekipan’ny ivon-toerana famongarana ny valala eto Madagasikirana na ny IFVM. Tonga nanantateraka ny asa famonoam-balala tao Nikoly. Ny ekipan’ny IFVM, ny ben’ny Tanana tany an-toerana ary ireo tantsaha no niara-nisalahy tamin’izany ady atao amin’ny valala izany. Efa nisy ny fitilina natao mialohan’izany hetsika izany. Nitondra fanafody sy fitaovana famonoana valala sy biby kely ihany koa izy ireo. Tao anatin’izay, nisaotra ireto ekipa ireto ny mponina tany an-toerana. Etsy ankilany, naneho fankasitrahana sy fisaorana ny mpitondra sy ny minisiteran’ny fambolena, fiompina sy ny jono ihany koa ny ben’ny tanàna kaominina Nikoly.

Mampionontsoa Rajaonson

Laisser un commentaire