SocialTsidika

Misedra olana ireo mpijinja vary any Alaotra

Manana tany lemaka maro afaka mamokatra vary mahampy tsara i Madagasikara. Anisany amin’ireny efa iaraha-mahalala ny tany lemak’Alaotra. Efa fotoana fiakaran’ny vary izao any amin’iny toerana iny ary ao anatin’ny fotoam-pijinjana ireo mpamboly. Eo indrindra anefa no mpietraka ny olana, tsy ampy ireo mpijinja vary tamin’ity taom-pamokarana ity hany ka vao ampahefatry ny tanimbary no vaojinja hatramin’izao. Noho ny fisian’ny valan’aretina, tsy afaka mankany an-toerana toy ny isan-taona ireo mpijinja vary avy any Vakinakaratra sy Amoron’i Mania. Mpijinja vary avya ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ihany noho izany no neken’ny fiadidiana ny faritra ho avy ka tsy ampy sasaka akory amin’ny famitana ny fijinjana. Manampy trotraka izany koa anefa, ireo Sihanaka izay tsy zatra amin’ny asa fijinjana vary hany ka vitsy ny vokatra tsy maharaka ny filan’ny mponina. Velon-taraina ireo mponina ny amin’ny fanahiana ny mety ho fahasimban’ny vary noho izy ireny tsy misy mpijinja. Isaky ny vanim-potoana fiakaran’ny vary toy izany any amin’iny faritra iny, 500 ar ny kilaon’ny akotry saingy tamin’ity taom-pamokarana ity nahitana fiakarana be izany satria nanjary 1200 ar ny kilao. Nandefa fangatahana ny amin’ny hanafarana mpijinja vary avy nay ivelan’ny faritra ireo mponina any an-toerana saingy mbola tsy misy valiny hatreto. Tsy misy azo atao mihitsy angaha ahafahana mampiditra ireo mpijinja anefa misoroka ny fiparitahan’ny valan’aretina ? Toy ny natao tamin’ireo avy any ivelany niditra teto Madagasikara ireny. Asiana ny fanaovana fitiliana mialohan’ny hiaingana sy amin’ny fidirana any an-toerana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire