France : Notsipahan’ny antenimierandoholona ny fampidirana IVG ao amin’ny lalàm-panorenana
Notsipahan’ny antenimierandoholona ny fampidirana IVG (interruption volontaire de grossesse) ao amin’ny lalàm-panorenana. Efa notsipahana nandritra ny famakiana voalohany ny 19 oktobra teo izany izay tamin’ny vato 172 no ho 139.
Raha tsiahivina dia i Mélanie Vogel no nanolotra io volavolan-dalàna io. Nanapa-kevitra nanohitra ny ankamaroan’ny senatera hoy izy ary nisafidy nanohitra ny hevitrin’ny 81% ny frantsay. Nanamafy izy fa mbola tsy tapitra hatreo io tolona ataony io.
