Fahasalamana : Miverina indray ny aretina lefa-kozatra
Dépêche 24 octobre, 16h, Nahitana tranga na lefa-kozatra indray teny anivon’ny fiaraha-monina teny ka efa miisa 8 indray izany ho amin’ity taona 2022 ity. Na dia teo aza ny mari-pankasitrahana izay azo mahakasika ny hanapahana ny rojom-pifandraisana aùin’ny valan’aretina lefakozatra « Label Polio Free », miverina indray ankehitriny ny fanentanana amin’ny vaksiny. Miakatra ny tahan’ny valan’aretina kanefa midina ny tahan’ny fanaovam-bakisiny ka izay no antony hamerenana indray ny fanentanana. Ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny dimy taona no entanina amin’izany mba hiarovana azy ireo satria mbola malemy ny hozatra amin’izy ireo amin’io taona io. Hisy ny vakisiny faobe hiadivana amin’io aretina io noho izany.
